Ny Tao-Trano Sy Ny Fiatraikany Eo Amin'ny Alan'analalava
2005; University of Hawaii Press; Volume: 3; Linguagem: Tagalog
10.17348/era.3.0.375-382
ISSN1547-3465
AutoresPierre Jules Rakotomalaza, John Henry, Bruno Sabotsilahy, Jean Claude,
Tópico(s)Migration, Identity, and Health
ResumoRehefa avy nanaraka atrik’asa fiofanana tao amin’ny KNARP nadritry ny 5 andro ny mpiofana, dia nanohy 4 andro taty Mahavelona (Foulpointe) (31 martsa ka hatramin’ny 04 aprily 2005). Nanao fampiharam-piofanana tao amin’ny tanàna manodidina ny alan’Ananlalava ireo mpiofana mikasika ny fampiasana ny zavamaniry sy ny fifandraisany amin’ny olombelona (ethnobotanie). Karazana fanadihadina maro no natao tamin’izany. Anisan’izany ny tao-trano. Tanàna roa no nanaovana ny fanadihadina dia : Sahamamy sy Morarano. Samy fokontan’ i Morarano, kominin’i Mahavelona, faritan’i Toamasina. Olona 7 no nanaovana ny fanadihadina ka 4 tao Morarano ary 3 tao Sahamamy. Karazan-trano maro no hita araka ny: Fampiasana azy Ny fitaovana nampiasaina (akora) Karazan-kazo efatra ambiefapolo (44) no voatanisa ho fampiasa amin’ny fanaovana izany trano izany. Samy hafa anefa ny arazan-kazo nampiasaina araka ny taonan’ny olona nadihadiana. Ary toy izany koa ny toerana nakana azy.
Referência(s)